4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofinofy mamy - Rija Ramanantoanina

Nofinofy mamy,tsy lany

No tazako eny aminao

Mampitsiriritra maditra

Tsy hitako izay atao



          Nofinofy mamy,tsy lany

          No indro fa omeko anao

          Zaraiko tsy eken’ny saiko,

          Fa tsy tia tena aho



Hirahira tsotra mampivoitra

Fa namako ianao.



          Hirahira soa,vokatry ny fo

          Dia izaho sy ianao mifankahay

          Fatratra,kanto izy zay..



Fa fitiavana mbola hafa hay

No nampihavana,nampifandray

Ny fianantsika no hitsara,

Ny soa avela ho tantara.



                    

Partager nofinofy mamy

Commenter nofinofy mamy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite